Finoana

Fanelanelanana ataon’ny FFKM Mbola mikatso aloha hatreto


  • Alarobia 02 Mey 2018

Tsy mbola nisy ny hevitra nivoaka avy amin’ny fanelanelanana nataon’ny FFKM teo amin’ireo depiote manohana sy ny manohitra ny fitondrana.

 Ry zareo avy amin’ny vondrona parlemantera HVM ihany no mbola nandefa solontena tamin’ilay dinika teny Vohipiraisana ny alatsinainy 30 aprily lasa teo. Nijanona teny amin’ny kianja 13 mey kosa ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovana rehefa avy niera tamin’ny vahoaka satria ny hevitra tapaka sy nifanarahana dia ny hoe tsy hanatrika io fifampidinihana io. Anio alarobia no fantatra fa hivory indray ny komity mpikarakara eo anivon’ny FFKM ary rahampitso alakamisy no hanao tatitra amin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Aorian’izay vao mety ho fantatra ny tohin’ny fandaharam-potoana. Mbola mikatso aloha izany ny fifampidinihana ary mametraka mazava ny mpanohitra fa ny fialan’ny filoham-pirenena no takian’izy ireo ary hihamafy hatrany ny hetsika fitakiana izay efa miparitaka manerana an’i Madagasikara, eny hatrany ivelany ihany koa aza fa tsy mijanona eto Antananarivo fotsiny.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT