FANDRINDRAM-PITERAHANA

Tsy ankasitrahan’ny Fiangonana Vahao ny Oloko


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

vehivavy ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana. Tsy hankasitrahan’ny Fiangonana anefa izany amin’ny ankapobeny noho izy ireo mino sy manaraka ny tenin’Andriamanitra voalaza ao anaty Baiboly. Ho an’ny Fiangonana Vahao ny oloko tarihin’ny Pastera Heritiana Randriarimalala ohatra dia nambarany fa ny fiangonana mihitsy aza no mamporisika ny mpino mba hiteraka. Izahay mantsy mino hoy izy fa rehefa tena mivavaka ny olona dia Andriamanitra no mitahy sy mamelona ny zaza teraka fa tsy ny Ray aman-dReniny. Fitaovana nataon’Andriamanitra fotsiny ireto farany. Mikasika ny fanjakana manokana dia notsindriany fa izay angamba no heveriny fa lalana hahafahana miady amin’ny fahantrana dia izay no antony hanatanterahany izao politikam-panjakana izao.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT