FANDRAVANA GOVERNEMANTA

Mbola tsy tena vahaolana hoy Pastera Heritiana


  • Zoma 03 Oktobra 2025

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena

misy ankehitriny Pastera Heritiana Randriarimalala. Nambarany fa na misy aza ilay tolo-kevitra nomen'ny Filoha ny amin'ny hanovana ny governemanta dia nambarany fa mbola tsy tena vahaolana tonga lafatra izany. Ny tena maika hoy izy dia ny mivavaka ary manentana ny olona mba hivavaka ho an'ny Firenena satria izay ihany no tena faratampon'ny vahaolana. Amin'olombelona hoy izy dia ny basy sy ny baomba mandatsa-dranomaso ary ny politika sy fampiasan-kery no tena vahaolana amin'ny fotoana tahaka izao. Amin'Andriamanitra kosa anefa hoy izy dia tsy misy afa-tsy ny mivavaka sy mitondra am-bavaka ny Firenena ihany hahafahana mandrava ny sakana. Mikasika ny hevitra tsy mitovy eny anivon'ny fiaraha-monina moa ka miteraka fifankahalana sy lolom-po amin'ny mpiara-belona dia nambarany fa efa nisy foana izany ary vao mainka mihamahazo vahana aza, antony tena tokony hivavahana mba tsy mampifandrafy ny samy Malagasy.
Pati
Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT