Finoana

Fandraisana ny Papa François Hentitra ny toromariky ny praiminisitra


  • Talata 27 Aogositra 2019

Namory ny OMC (Organisme Mixte de Conception) nasionaly, ny praiminisitra,

 

 

lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, omaly niara-nidinika ny amin’ny fifehezana sy fitantanana ny lafiny filaminana sy fandriampahalemana mialoha, mandritra ary aorian’ny fivahinianan’ny Papa François filoham-panjakan’i Vatican eto amintsika. Nojerena ny ezaka efa vita sy ny tokony hampiana. Hentitra izy ny amin’ny tsy maintsy handalinana bebe kokoa ny fahafantarana ny isan’ny olona izay tena ho tonga eto an-drenivohitr’i Madagasikara, mba handraisana ny fepetra amin’ny fitandroana filaminana mifanaraka amin’izay. Tsy maintsy alamina ny fifamoivoizan’ny fiarakodia sy ny fifamezivezen’ny olona. Efa misy ny rindran-damina amin’ny vahaolana mifandraika amin’ireo mety ho ambana hitranga mandritra ny fotoana andalovan’ny Papa eto amintsika. Efa mandray  ny andraikiny ireo tomponandraikitra rehetra eto amintsika amin’ny fametrahana ny filaminana sy fandriampahalemana any amin’ny làlam-pirenena rehetra mihazo an’ Antananarivo. Hisy ny fanentanana hapetraka amin’ny alalan’ny serasera sy fampitam-baovao  homena miandalana ny vahoaka mba hahafahan’ny olona rehetra mahalala ny tokony hataony, indrindra ny fandriampahalemana sy  ny filaminana, hoy ny praiminisitra. Nisaorany manokana ireo rehetra nifandrimbona amin’ny ezaka fanomanana, toy ny ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny lafin-tany, ny Fitsarana sy ireo tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny fiangonana katolika, ankoatra ny amin’ny fandriampahalemana. Nanatrika ity fivorian’ny OMC nasionaly ity ireo minisitra telo miandraikitra ny filaminana sy fandriampahalemana sy minisitra sasany toy ny minisitry ny fitsarana, ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola ary ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT