Finoana

Fandalovan’i Papa Fransoa Tokony hanasitrana ny fiarahamonina Malagasy


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Marary ny fiarahamonina Malagasy ary mila miverina amin’ny laoniny ara-moraly mba hahitana ny fanasitranana azy, hoy ny fiarahamonim-pirenena PFNOSCM / VOIFIRAISANA.

 

 

 Mampiahiahy, hoy izy ireo ny momba  ny famaritana sy ny fitohizan’ny "Soatoavina" sy ny "Fihavanana" eto Madagasikara. Amin’izao fitsidihan’i Papa Fransoa izao dia maniry izy ireo mba hisy amin’izay ny fampivoarana ny soatoavin'ny firaisankina, ny fandriampahalemana, ny fiaraha-miasa ary ny fifampiresahana. Loharanon'ny fanantenana izao fandalovan’i Papa izao, hoy ny PFNOSCM ary tena manan-danja indrindra satria mandrisika ireo fanovana lalina tadiavina ary andrasan'ny vahoaka Malagasy izay mahantra ny ankamaroany. Antenaina fa hisy fivoarana ihany koa ny fifehezana ny harena voajanahary sy ireo harena ankibon'ny tany izay tokony hanasoavana ny Malagasy tsy ankanavaka. Mavesatra amin’ny vahoaka ny mbola fisian’ny kolikoly, ny tsimatimanota, ny fitiavam-bolan’ny mpitondra, ny fanjakazakana sy ny herisetra, ny lainga, ny tsy rariny, ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ny fanakorontanana amin'ny karazany rehetra. Mitarika ho amin’ny tsy fitovian'ny olom-pirenena, ny fahaverezan'ny fahatokisana ny fanjakana, ny fitsaram-bahoaka sy ny tsy fandriampahalemana izay mihasarotra sy malaza indray tato ho ato. Aleo mba tsy hisy intsony ny krizy politika lavareny izay mitarika ny fahapotehana ara-toekarena, ara-tsosialy ary ny ara-moraly. Nilaza ny PFNOSCM fa amin'ny alàlan'ny herin'ny teny sy ny hafatry ny Papa amin’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitarika ary ny mpanao politika dia hisy fiovana tsikelikely hanajana ny soatoavina nentim-paharazana Malagasy sy eran-tany hiteraka fifaliana sy fiainana milamina ary fandriampahalemana.

 

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT