Finoana

Fanarenana ny fakiolten’Ambatonakanga 24 273 700 ariary no ilaina


  • Sabotsy 19 Novambra 2016

Notanterahana ny alarobia lasa teo ny fanolorana ny asa fanarenana ny Seminera Amparibe izay anisan’ireo toeram-ponenan’ny mpianatra ho Mpitandrina mandranto fiofanana teolojia amin’ny Oniversite Ravelojaona Ambatonakanga miaraka amin’Ambatobevanja sy Ambavahadimitafo.

Mitentina 24 273 700 ariary ny totalin’ny vola ilaina ahafahana manatontosa ny asa, araka ny fanazavana. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ary nitondra fampaherezana ho an’ny rehetra tamin’izany moa ny mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja, filohan’ny FJKM teo aloha, sy ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, filohan’ny FJKM ankehitriny. Nofaranana tamin’ny fizahana ny fahavoazan’ny trano efa feno 100 taona ny fotoana, mialohan’ny hanombohana ireo fanarenana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT