Finoana

Fanarenam-pirenena Hivory any Fianarantsoa ny Katolika


  • Talata 20 Martsa 2018

Hotanterahina ao Fianarantsoa ny 17 sy 18 aprily 2018 ny Atrikasa fanarenam-pirenena tena izy, karakarain’ny K3F (Komitin’ny Fahamarinana, Fandriampahalemana ary Fiadanana) ary hanasany ny Malagasy rehetra tsara sitrapo.

Araka ny lohahevitra, dia resaka fandraisana andraikitra manoloana ny fahapotehan’ny firenena izany no anton’ny hetsika. Komity misy ifandraisany amin’ny fiangonana Katolika izy io, izay mahatsapa fa mila fanarenana ny firenena satria efa tena mijaly ny ondry, izay tsy iza fa ny vahoaka Malagasy ihany. Sesilany tato ho ato ny fijoroan’ny fiangonana nampaneno lakolosy manoloana ny fikorontanan’ny firenena, ny fahantram-bahoaka, ny kolikoly,… Efa nanao fanambarana lehibe nanome toromarika ny ondriny ny teo anivon’ny fiangonana FJKM, tsy nisorona manoloana ny tsy mety ny HMF na ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Efa namondrona ireo olona mamiratra ny teo anivon’ny FLM manoloana ny fahapotehan’ny firenena,… ary io mifoha amin’ny torimasony io ihany koa ny K3F. Ny manahirana eto amintsika anefa, dia toa tsy henoina ary vao miha soketaina ho mikotrika fanozongozonana fitondrana ireny lakolosy fanairana manoloana ny tsy mety eto amin’ny firenena ireny. Iza intsony moa izany no hohenoina sy hoeken-teny raha ny Fiangonana no efa atosi-bohon-tanana sy hanaovana be marenina lava ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT