Finoana

Fanarabiana ny fiangonana FLM Hisy ny fepetra horaisina


  • Zoma 23 Oktobra 2015

Manoloana ny teny fampihorohoroana sy fanarabiana nataon’ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny alarobia alina lasa teo dia hanamafy ny fitoriana fiandry ny amin’izay zavatra mety hiseho na herisetra amin’ny mpivavaka na ny famotehana ny ezaka fananganana ny fiangonana eny Androhibe.

 

 

 Mitazona  io depiote io ho  tompon’andraikitra  amin’izay rehetra hiseho izy ireo. Nandrangitra  sy nanohitra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny  fanjakana sy ny  didy navoakan’ny  fitsarana ny  amin’ny  anomezana ny fiangonana Loterana ny tany mantsy izy. Etsy an-kilany  dia  nisy ampahan’olona  nanatona ny Pastora Edoany  Govin nangataka  ampahan-tany  amin’ny  fiangonana mba hanangana sekoly  fanabeazana fototra. Vonona amin’ny  fifampiresahana ho fampandrosoana ny fanabeazana  izy fa  ao anatin’ny  fifanajana. Araka ny vaovao farany,  ny filohan’ny  fokontany sy ilay  olona iray  nanala ny  sora-pamantarana   ny maha an’ny   fiangoanana ny tany no niantefan’ny  fitarainana voalohany napetraky ny  fiangonana eo anivon’ny  mpitandro ny filaminana ary ity depiote ity  izay  manentana ny olona  hanohitra  didim-pitsarana. Anio tolakandro dia hihaona amin'ny mpanao gazety ny eo anivon'ny sinodam-paritanin'Antananarivo mahakasika ity raharaha ity.

Rabri  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT