Finoana

Fananganana ny Kolejy Teolojika Manome toky ny FJKM Ravalomanana


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2017

Niatrika ny famaranana ny fihaonamben'ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana notanterahina teto tao amin’ny Kianja Monisipaly Antanetibe Mahazaza ny filohan’ny komity fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM, Marc Ravalomanana omaly.

 

 Miisa 189 000 ny Kristianina ato anatin'ny synoda, 165 ny isan'ny fitandremana ary 112 ny isan'ny mpitandrina. Tsangambaton'ny faha-50 taonan'ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran'ireo Misiona LMS teto Madagasikara ny fananganana trano hafahan'ireo mpiofana Mpitandrina mianatra etsy amin'ny kolejy Teolojika etsy Ivato, efa mandeha tsara ny asa ary manentana hatrany ny kristianina aho handray anjara biriky amin'ny fanaovana izany asa lehibe izany, tsy hanery anareo kosa anefa aho fa ataovy am-pitiavana arak'izay tratranareo, hoy i Marc Ravalomanana. Nampanantena ny tenany fa tsy maintsy ho vita ary ny asa. Aza matahotra ianareo fa ho vita tsara sy tena mendrika ho an'ireo mpianatra Mpitandrina tsara izany, hoy hatrany izy. Marihina fa any Toamasina no hotanterahina ny ivon'ny jobily amin’ny volana aogositra 2018.

Fanasoavana ny Malagasy

Tsy olon’ny fiangonana ihany i Marc Ravalomanana fa olon’ny fandraharahana, ary mitsinjo ny Malagasy amin’ny alalan’ny fanomezana asa amin’ny alalan’ny orinasany, izay efa miroborobo indray ankehitriny. Mandeha anefa ny antsojay amin’ny resaka fanakatonana ny orinasa AAA, izay mampiasa Malagasy maro be ankehitriny. Tsy manaiky ny hikatonan’ny AAA ny tantsaha, ny mpiasa, ary nametraka sorabaventy ao amin’ny biraon’ny Ben’ny tanàna ao Andranomanelatra antsirabe. Efa mba miaina kely ny tantsaha dia izao mihorohoro fa hiverina indray ny hala-botry, ny tsy fananana asa, nefa maro izy ireo no nindrana vola tamin’ny CECAM, hoy izy ireo. Tena vahaolana ve ny fanakatonana ny orinasa AAA noho ny resaka lonilony ara-politika ? Mba efa nosainin’ny fanjakana ve ny fahaverezan’ny tombotsoan’ireo Malagasy ana hetsiny mivelona ao amin’ity orinasa ity  ? 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT