Finoana

Fananganana ho olontsambatra an’i Lucien Botovasoa Mangataka fanohanana ny mpikarakara


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Miomana fatratra amin’ny lanonana lehibe hanandratana an’i Lucien Botovasoa ho olontsambatra, hatao any Vohipeno ny 15 aprily ho avy izao ny eo anivon’ny fiangonana katolika.

Mialoha io dia hisy ny fametrahana ny Monsenera Gaetano Di Pierro, evekan’i Moramanga eo amin’ny fiketrahana amin’ny maha eveka vaovaon’i Farafangana azy ny 12 aprily ho avy izao. Lanonana roa sosona izany no hatao. Ny 14 aprily no fanombohan’ny fety aman-danonana ao Vohipeno, toy ny fiderana, tantara an-tsehatra momba an’i Lucien Botovasoa, alim-bavaka … Raha ny tantara, naleony maty notapahin-doha, toy izay tsy hanaiky hoterena hiditra ho mpikambana amina antoko politika tsy mifanaraka amin’ny finoana. Tsy raharahan-tokantranon’ny any an-toerana ihany ireo lanonana ireo fa an’ny fiangonana katolika manontolo. Ankoatra ny vahiny manankaja isan-tsokajiny miisa 500, dia mpino hatrany amin’ny 40 000 no andrasana amin’izany, hoy ny mpikarakara tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao teny amin’ny Episcopat Antanimena ny sabotsy 17 martsa teo. Ho an’ny ao Vohipeno, ohatra, dia manodidina ny 5 500 ny olona naneho fahavononana, Manakara 3 500, Farafangana 800 … Vonona tanteraka ny any Farafangana sy Vohipeno amin’ny fampiantranoana, ka manentana ny rehetra tsy hanana ahiahy ny mpikarakara. Raha ny nambaran’i Christian Ramanankavana kosa ao anatin’ny Kaomisionina ara-bola dia mbola misy ny ezaka lehibe ny amin’ny fanomanana ara-bola. Manao antso avo amin’ny rehetra na mpino tsotra na manampahefana na fikambanana isan-tsokajiny mba hanolo-tanana ny amin’izany. Azo atao ihany ny mandefa vola amin’ny alalan’ny kaonty BNI laharana 70226110001. Tsy vola ihany fa azo atao ihany koa ny manolotra ireo zavatra ilaina, toy ny vary, menaka … satria handray vahiny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT