Nampisavorovoro izao tontolo izao, indrindra, ny Kristianina na tiana na tsy tiana ny resaka fanambaran’ny Papa François mikasika ny fiarahan’ny vavy samy vavy sy ny lahy samy lahy farany teo na dia efa nandiso ny vaovao niniana naparitaka momba izany aza ny olobe mpitondra fivavahana eo anivon’ny EKAR.
Niharihary tamin’ireny koa fa mba mandiso vaovao koa izany, mba tsy hilazana ilay fiteny mahazatra ankehitriny hoe mandefa «fake news», ireo haino aman-jery vahiny lehibe sy malaza eto ambonin’ity tany ity. Mety ho savorovoro niniana novolena na tafiditra ao anatin’ireny atao hoe « théorie du complot » ireny koa ve mba hahatongavana amina tanjona tsy takatry ny valalabemandry toy ilay hoe fanambarana ny fivavahana rehetra izy iny ? Tsaroana nialoha azy iny tsinona ilay resaka Eveka Katolika izay nalaza hoe noroahana fa ahiana ho mpanolana zaza. Iaraha-mahalala hatramin’izay fa na inona na inona miteraka adihevitra be toy itony dia miteraka fisaratsarahana hatrany. Eo ihany koa no tsy voatery haha marina ilay fitenenana hoe ny isavorovoroan-kilatoana.Finoana sy fivavahana anefa no resaka eto, tsy dia fiady hevitra loatra fa ny fizotry ny tantara no hitsara.
Nanampy fanazavana ny EKAR eto Madagasikara omaly ary mbola nanizingizina fa tsy manaiky mihitsy ny fiarahana sy ny fanambadian’ny mitovy fananahana ny Fiangonana satria manohitra tanteraka ny fampitana ny aina avy amin’ny lahy sy vavy araka ny sitrapon’Andriamanitra izany.Tsy manary ireo olona tafiditra ao anatin’izany kosa anefa ny Fiangonana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.