Finoana

Fanambaran’ny FFKM “ Aoka ho marina sy madio ny fifidianana ! ”


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Nanao fanambarana lehibe ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) nandritra ny Ivon’ny Jobily fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM tany Toamasina ny faran’ny herinandro.

 Ny fampiasanao ny zonao hifidy dia fandraisana andraikitra amin’ny fampandrosoana ka tandremo, tandremo ary tandremo ny tsy mifidy fa efa namoaka didy aman-dalàna ny tompon’andraiki-panjakana, hoy ny FFKM tamin’ny alalan’ny Pastora Rakotonirina David, Filohan’ny FLM. Mampahatsiahy ny FFKM fa hisy ny fifidianana fihodinana voalohany amin’ny 7 novambra, ary ny 19 desambra kosa ny fihodinana faharoa. Tanteraho ny adidintsika, ary aoka hotandrovina toy ny anakandriamaso ny fandalana sy ny fanajana ny fahamarinana fa raha sanatria misy tsy fitovian-kevitra, tsy fitoviam-pijery, tsy fitoviana fomba fiasa, fanaovana zavatra tsy marina, dia tsy zakan’ity firenena ity intsony ny miditra anaty korontana na krizy vaovao, hoy ny FFKM. Manao antso avo amin’ny tompon’andraiki-panjakana ihany koa dia ny ao amin’ny governemanta sy ny ao amin’ny CENI mba hotandrovina mihoatra ny anakandriamaso ny fitantanana ity fifidianana ity amin’ny fahamarinana manomboka amin’ny lisitra ka hatramin’ny famoahana ny vokatra. Manao antso avo amin’ny mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) hitandro ny fitantanana ny fifidianana. Fifaninanana no hataonareo hahafahana mampandroso ny firenena ka aoka hifanaja sy hitandro ny hasorobidin’ity firenena ity, ka tsy hifandrafy fa hiezaka hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara, hoy ny hafatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT