Fanamarihana ny « Eid El Fitr»

Naneho ny hafaliany ny mpino silamo


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Nanamarika ny andron'ny hafaliana na « Eid El Fitr » na ihany koa :

hoe fetin'ny famahana taorian'ny 30 andron'ny fifehezam-bava ny mpino silamo maneran-tany, ka anisan’izany ny teto Madagasikara. Famaranana ny volana ramadany io, fotoanan'ny fifampiarahabana, famangiana, ary fizarana mofomamy ho an'ny mpiaramonina, havana, namana eo amin'ny mpino silamo ny fotoana toy izao. Nananamarika io fotoan-dehibe ihany koa ny mpino silamo teto Madagasikara, nanerana ny Nosy, raha tsy hilaza afatsy ny tao Mahajanga izay isan’ny tanàna be mpino silamo betsaka, ny tany Antsiranana, ny tao Toamasina. Raha ny antontan’isa, manodidina ny 10 ka hatramin’ny 13% amin’ny mponina eto Madagasikara no mpino silamo. Misy fanamarihana olom-pirenena sasany toy ny teto Antananarivo ny andron’ny omaly hoe: toa misy karana miasa, ka tsara ny ny manamarika fa ny ankamaroan’ny Indiens dia Hindou no finoany, fa ny pakistanais no misy silamo. Fanamarihana sy fampitahana entin’ny mpandinika mba hanazavana ny sain’ny maro ihany koa ny hoe : « Ny « Islam » dia finoana tahaka ny hoe : kristianisma, Hindouisme,… fa tsy fihaviana toy ny hoe : Arabo, Malagasy, Frantsay,… ka ny krismasy, paska, andro niakarana,… no mety mifanakaiky kokoa sy azo ampitahaina aminy fa tsy ny taom-baovao Malagasy na alamahadibe,… ka tsy dia mitombina loatra ny fivoizana hoe : tsy fety Gasy io. Fetim-pinoana io, ary betsaka ny Malagasy manaraka an’io eto Madagasikara, hoy ny fanamarihana. Na izany aza, isan’ny hitondran’ny mpandalina ny fomba Malagasy fangatahana sesilany ny hampitovian-danja ny fomba Malagasy toy ny alamahadibe, taom-baovao Malagasy mba hatao andro tsy fiasana fa andraisan-karama tahaka ny fety kristianina sy silamo.
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT