Fanamarihana ny « Eid Al-Fitr »

Andro tsy hiasana ny 10 aprily izao


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Namoaka fampahafantarana manamafy sy mampahatsiahy ny Minisiteran’ny asa,

ny fampanan’asa, ary ny asam-panjakana, fa araka ny andininy faha-3 amin’ny didim-panjakana laharana faha 2024-108 tamin’ny 31 janoary 2024 mamaritra ny lisitry ny andro tsy iasana nefa andraisan-karama ho an’ny taona 2024, dia nambara ihany koa fa andro tsy tsy hiasana nefa andraisan-karama ireo andro voatondro ho Eid Al-Fitr sy Eid Al-Adha, araka ny tetiandro nofaritan’ny Fianakaviamben’ny silamo. Noho izany, ireo daty mifandraika amin’ireo dia andrakitr’io fikambanambe io feo, ka ny taratasy laharana 62/FSM/BN/2023 tamin’ny 14 desambra 2023 izay nataon’ny Fikambanamben’ny Silamo Malagasy no mamaritra ny datin’ny 10 aprily dia noraketina ho Eid Al-Fitr. Noho izany, dia nambaran’ny Fanjakana fa tsy hiasana kanefa andraisan-karama eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara io, araka ny fampahafantaran nosoniavin’ny Tale Jeneralin’ny Asa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT