Tsy faly tamin’nyfanapahan-kevitry ny birao foiben’ny fiangonana Fjkm ary namoaka fanambarana omaly ny mpitandrina Rasolomanana Jafetra Tiana sady efa mpihevi-draharaha eo anivon’ny FIFAMPI.
Tsy araka ny nanampoizana azy mantsy raha ny nambarany ny tohin’ilay raharaha fanalana mpitandrina iray nataon’ireo mpihevi-draharaha ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano (SPIA19) nanaovan’izy ireo fivoriana tao Sabotsy Namehana ny 07 aogositra 2018 . Efa nanendry mpitandrina delege izy ireo hiandraikitra io fitandremana io saingy nivadika ho zavatra hafa. Noviravirain’ny birao foibe, hoy izy, ilay fanapahan-kevitry ny SPIA19 ka nilazan’izy ireo fa ny birao foibe indray no mila ka maka ilay mpitandrina nalana tamin’ny toerany. Fahadisoana mavesatra izany, hoy ny mpitandrina Jafetra Tiana satria tsy azo hivalozana ny fanapahan-kevitry ny mpihevi-draharaha ny synodam-paritany izay efa nohamafisin’ny mpiandraikitra foibe tamin’ny volana oktobra taona 2018 ny fahefana hananany. Nambarany ihany koa fa navadiky ny birao foibe Fjkm ho permutation-na mpitandrina ilay fanapahan-kevitry ny synodam-paritany koa anaovany antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.