Finoana

Fanalam-baraka ny FJKM Baiko avy eny Iavoloha


  • Talata 23 Febroary 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny FJKM ka nilaza ny heviny momba ny raharaha maha voatonontonona ny mpitandrina Lala Rasendrahasina sy ny nitondrana azy natao fanadihadiana tany amin’ny polisy.

 

 Nahitsy fitenenana ny filoha mpanampy Ravalomanana Marc ary nilaza omaly teny Ampandrana fa fanalam-baraka ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara fotsiny ny raharaha momba ny filoha Lala Rasendrahasina, araka ny fahitan’ny birao foiben’ny FJKM azy. Baiko avy amin’ny tompon’andraikitra eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izy iny izay tsy ara-dalàna rahateo satria tokony ho ry zareo «police des mœurs» no nanadihady. Tsy midika anefa izany hoe ny filoham-pirenena no nanome ny baiko ka aoka tsy afangaro ny resaka. Niainga avy ao amin’io lapam-panjakana io fotsiny aloha ny toromarika. Nisy ny hevitra nifandiso, hoy i Marc Ravalomanana ary izay no nahatonga ny polisy nisahana iny fanadihadiana iny niala tsiny tamin’ny fiangonana, araka ny fanampim-panazavana heno teny Ampandrana omaly. Mifankahazo tsara ny mpikambana ao amin’ny birao foibe FJKM sy ny filohan’ny Repoblika ary maniry ny mbola hihaona amin’ny filoha Rajaonarimampianina moa ireto mpikambana ao amin’ny birao foibe ireto. Tsy hitory n’iza n’iza ihany koa ny fiangonana FJKM, araka ny fanamarihana nataon’ny filoha lefitra laïka ihany.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT