Finoana

Fanalam-baraka ny filohany Hitory ny FJKM


  • Alakamisy 18 Febroary 2016

Nampitsangam-bolo ny maro, indrindra ny mpino FJKM ny nahita ny vaovao nivoaka an-gazety teto an-denivohitra omaly fa tany amina tranon-dopy na irony trano fiasan’ny mpivarotena irony, ny filohan’ny fiangonana FJKM Lala Rasendrahasina.

 

Fanasoketana

Tsy nino ny fivoahan’ny vaovao ny olona, saingy betsaka no nametra-panontaniana ny antony mahatonga an’izany. Nahatsiaro voasoketa sy voazimbazimba amin’ny maha olona ny voatonona, manoloana ny fanelezana vaovao toy ireny, ny satany rahateo tsy mitovy amin’ny sarambabem-bahoaka amin’ny maha filoham-piangonana azy. Omaly ihany dia nitondra fanazavana tao amin’ny Radio Fahazavana 88.6 FM, izay onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, ny tenany mba tsy hampiroaroa saina ny mpino FJKM. Tamin’ny fo tony no nanambarany fa tsy dia gaga amin’ireny tranga ireny ny tenany satria antomotra indray ny fotoana hanatanterahana ny Synaoda lehibe FJKM XVIII. Mampahatsiaro ny nanasoketana ahy ho nampiantrano « radio pirate » teny amin’ny sekoly Rasalama Maritiora Ambohipotsy, talohan’ny hanatanterahana ny Synaoda lehibe FJKM XVII tany Manakara tamin’ny 2012 izao miverina ankehitriny izao, hoy izy. Raha ny resaka mpanotra indray dia nitsotra ny pastera Lala Rasendrahasina fa manana mpanotra mahazatra ny fianakaviany ao an-trano. Rehefa misy tsy fahafahan’izy ireo dia misy fotoana manatona ireny toerana manokana ho amin’izany izahay, ary tsy vao sambany izany fa efa nisy hatramin’izay, saingy ny nahagaga ahy tamin’ity dia ny nandefasana polisy tany amin’ilay toerana, hoy izy.

Hitory ?

Amiko dia zavatra efa voaomana izany fa tsy tongatonga ho azy, hoy i pastera Lala Rasendrahasina, fa fanakonan-dresaka fotsiny ny mikasika ny fitaratra mainty amin’ny fiara satria na ny mpanao famotorana aza tsy nifantoka tamin’io ; betsaka rahateo hoy ihany izy ny fiara misy fitaratra mainty mivezivezy eto. Nametra-panontaniana moa ny filohan’ny FJKM raha toa ka tranon-dopy araka ny voalaza an-gazety no nandehanany, mpivarotena avokoa izany ny olona miasa ao ary maninona no tsy nandraisan’ny fanjakana fepetra hatramin’izay ? Raha ny resaka mandeha hatry ny omaly dia mety hitondra ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana ny Fiangonana FJKM manoloana io fametavetana ny filohany io.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT