Nametraka fitoriana ny radio Fahazavana, izay soloin-tenan’ny filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina, mikasika ny fanakatonana ity onjam-peon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity.
Ny didim-pitondrana navoakan’ny Minisiteran’ny serasera mirakitra ny fanapahan-kevitra nanakatonana ny radio Fahazavana no nametrahana fitoriana, andaniny ho fampihatonana ny fampiharana azy io, ankilany ny fanafoanana azy io tanteraka. Ny alatsinainy 31 mey lasa teo no efa tafapetraka eny anivon’ny Conseil d’Etat na Filankevi-panjakana io fitoriana io.
Miteraka resabe, tsy eto an-toerana ihany, fa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity fanakatonana ny radio Fahazavana sy ny famonjana ireo mpiasa folo ao aminy, ka mpanao gazety ny enina amin’izy ireo. Manameloka izany ny filoha sy ny Sekretera jeneralin’ny Alliance Réformée Mondiale (ARM) tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo ny 01 jona 2010 izay milaza fa fanohintohinana ny fahalalahana haneho hevitra ary tandindomin-doza ny maha izy azy ny Malagasy. Manahy mafy ny amin’ity famonjana ny mpiasan’ny Radio Fahazavana indrindra fa ny mpanao gazety ity koa ny Reporters Sans Frontières (RSF) tamin’ny fampitam-baovao nataon’izy ireo ny 01 mey teo. Zon’ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana ireto ny hotsaraina am-pahamarinana, tsy mitanila, ary lavitry ny faneriterena ara-politika, hoy ihany ny RSF. Mandra-pahatonga izany anefa dia mangataka ny hanomezana fahafahana vonjimaika azy ireo ny RSF.
Resabe
Hatreto dia tsy nambara ary tsy nampahafantarina ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Radio Fahazavana izay rantsana velona eo anivon’ny FJKM ireo fitaovana noraofin’ny mpitandro ny filaminana ny alin’ny alakamisy 20 mey 2010. Toy izany koa ny amin’ilay “émetteur” nambaran’i Augustin Andriamananoro fa ana radio piraty hita tao amin’ny Fahazavana, resabe ny amin’io, an’ilay radio piraty araka ny nambara marina ve ? Mandeha tokoa ve io fitaovana nofaohina io ? Hatreto tokoa mantsy dia tsy nisy fanehoana ampahibemaso izany. Mbola resabe mandraka ankehitriny koa ny nanatontosana ny fisavana ny foiben-toeran’ny radio tamin’ny andro alina, izay mifanohitra amin’ny lalàna manan-kery. Toy izany koa ny fomba nisamborana ireo mpiasan’ny radio ireo. Ny loharanom-baovao rehetra mantsy dia milaza fa teo am-piandrasana fiara karetsaka teo Ambatonakanga, ndeha hody izy ireo no voasava karatra ka nofaohina avy hatrany raha vao nahitana fampiasan’ny radio Fahazavana. Mbola resabe ihany koa ny tsy nampahafantarana ny tompon-trano, dia ny Radio Fahazavana na koa ny FJKM ny taratasy mandidy ny hanidiana ny Radio Fahazavana raha tsy ny 28 mey, herinandro aty aorian’ny nakana ny fitaovany. Ny Sekretera jeneralin’ny FJKM aza no nitaky ny hahazoana izany taratasy izany vao napoitra, araka ny loharanom-baovao ihany, ary izany indrindra no nitarika ny FJKM hitondra ny raharaha eny anivon’ny Conseil d’Etat. Koa dia ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.