Finoana

Fanajana ny “Eid Al-Fitr” Nohamafisina fa andro tsy fiasana ny 21 aprily


  • Talata 18 Aprily 2023

Namoaka fampahafantarana ofisialy ny Minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna

sosialy omaly 17 aprily, ka nanamafy an-taratasy fa andro tsy iasana kanefa handraisan-karaka ny andron’ny 21 aprily izao, izay fetin’ny “Eid Al-fitr” araka ny finoana silamo. Mihatra ho an’ny rehetra manerana an’I Madagasikara io andro tsy iasana io na mpino silamo na tsia. Notsiahivina tao anatin’io fampahafantarana io rahateo fa araka ny andininy faha-2 amin’ny didim-panjakana laharana faha 2023-007 tamin’ny 02 febroary 2023 teo, izay mamaritra ny lisitry ny andro tsy hiasana fa handraisan-karama ho an’ny taona 2023, dia nambara fa tafiditra ao anatin’izany ny Eid Al-Fitr sy Eid Al Adha, araka ny tetiandro nofaritan’ny Fikambanamben’ny silamo. Ny taratasy faha-36/FSM/BN/PR/2022 izay nataon’ny Filohan’ny Fikambanana Silamo Malagas no namaritra sy nanamafy fa io datin’ny 21 aprily 2023 io noraiketina ho andron’ny Eid Al-Fitr, izay fotoan-dehibe ho an’ireo mpino silamo, manamarika ny fifaranan’ny ramadany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT