Finoana

Fanabeazana Nankalaza ny “andron’ny antily” ny Diosezy Antsirabe


  • Talata 24 Martsa 2015

Nankalazaina voalohany ny "Andron’ny Antilin’i Madagasikara" ny 23 martsa 2015 lasa teo. Ho an’ny Diosezin’Antsirabe dia ny faran’ny herinandro no nakalazana izay ny tamin’ny alalan’ny fifampizarana akanjo tamin’ireo olona sahirana tao amin’ny fokontany Antsenakely sy Ampatana ary

 


 

Ambavahadimangatsiaka ka olona nanodinana 170 no notolorana akanjo tamin’izany. Taorian’izay dia nitohy tamin’ny alalan’ny diabe namakivaky an’Antsirabe ny fankalazana izay narahina fiaraha-mikorana ary nofaranana tamin’ny fiaraha-mivavaka ny alahady 22 martsa 2015. Raha tsiahivina, ny 23 martsa 1923 no nijoroan’ny Skoto katolika voalohany teto Madagasikara ka mbola rantsan’ny Skoto frantsay izy tamin’izany ary dia 92 taona katroka izany no nijoroan’ny fikambanana Antilin’i Madagasikara na ny skoto katolika zazalahy eto Madagasikara. Nambaran’ny filohan’ny Diosezy, Ny filoha Ravaoarinoro Marie Jeanne Isabelle moa fa antony nisafidianana ny fanampiana ny sahirana dia tafiditra ao anatin’ny asa soa fanaon’ny skoto ny fifanampiana ary ao anatin’ny vanimpotoanan’ny karemy rahateo koa izao ka ampianarina hahay hifampizara ny beazina, izay tafiditra amin’ny fanabeazana azy ireo mihitsy izany.

 Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT