Finoana

Fampihavanan’ny FFKM Raikitra ny fandraisana anarana tao Mahajanga


  • Talata 03 Martsa 2015

Notontosaina tao amin’ny Eklesia Episkopaly Malagasy Santa Lioka tao Manga Mahajanga ny fandraisana ny anaran’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana, mpanao politika sy ny mpitondra fivavahana samy hafa ary ny fikambanana isan-karazany, izay handray anjara amin’ny dinika fampihavanam-pirenena sy ny fanorenana

 

 Madagasikara vaovao, ny 01 Martsa 2015.  Nampiarahana tamin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izany, izy notarihin’ny FFKM avy eto amin’ny Faritra Boeny. Ny 05, 06, ary 07 Martsa 2015 izao no hanatanterahan’ny FFKM ny fampihavanam-pirenena aty amin’ny Faritra ka ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina Mahajanga no hanaovana izany. Miisa 186 ireo mpandray anjara andrasana amin’io fotoana io, ka ny 16 amin’ireo dia avy amin’ny FFKM, 20 solontenan’ny fitondram-panjakana ary 150 avy amin’ny mpitondra fikambanana maro samy hafa sy ireo Raiamandreny ara-drazana sy ara-pinoana.

 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT