Finoana

Fampihavanam-pirenena Miaiky ny FFKM fa mbola lavitr’ezaka


  • Sabotsy 02 Aprily 2016

Miaiky ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) fa mbola lavitr’ezaka ny fampihavanam-pirenena

 

. Tsy milavo lefona anefa izy ireo fa mbola vonona hanohy. Io ihany, hoy ireo raiamandreny ara-panahy FFKM ao anatin’ny Hafatra Paka no lalana azo antoka hampandrosoana ny firenena. Mametra-panontaniana moa ny rehetra ny amin’ny tohin’ny fihaonambe momba ny fampihavanam-pirenena natao teny amin’ny CCI Ivato herintaona lasa izay. Mahatsapa ny FFKM fa noho fanatontoloana dia miova ny erantany ka anisan’ny tafalatsaka i Madagasikara manoloana ireo tranga miseho samihafa eto amintsika amin’izao fotoana izao. Eo anatrehan’izany dia milaza ny FFKM fa fotoana izao iantsoana ny Fiangonana sy ny Kristy hijoro ho vavolombelona ka hitondra am-bavaka hihavaozan’ny Fiangonana sy ny firenena fa tsy hanao ny hahafaly ny tenantsika fotsiny ihany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT