Finoana

Fampihavanam-pirenena Iza no malailay fonosana ?


  • Alatsinainy 30 Martsa 2015

Anisan’ny nanamarika ny fahatsiarovana ny faha-68 taonan’ny tolom-panafahana 1947 ny vavaka nokarakarain’ny FFKM tetsy amin’ny EKAR Md Josefa Mahamasina, izay feno hipoka hatreny an-tokotany omaly tolakandro.

 

 Noraisin’ny mpivavaka tamin’ny tehaka mirefodrefotra ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana mivady teny an-toerana. Nanoina ny fanasan’ny FFKM ka tonga ny Pr Zafy Albert, rehefa nisintaka tamin’ny dinika fampihavanana notarihin’ny FFKM. Niray seza tao am-piangonana ary nifandray tanana ireo filoha teo aloha isany Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Marc Ravalomanana. Tsy nisy tonga fa nandefa solontena avy kosa i Hery Rajaonarimampianina sy i Andry Rajoelina na samy eto an-toerana aza. Nasian’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina tsindrim-peo manokana ny fampihavanam-pirenena nandritra ny toriteniny. “Mbola ho lava, eny mety ho aman-taonany vao ho vita ny fampihavanam-pirenena sao misy ho diso fanantenana rehefa tonga ny volana aprily, hoy izy ka mila entina am-bavaka izany”. Ny amiraly Ratsiraka kosa taorian’ny fotoam-pivavahana dia nilaza ho “be fanantenana amin’ny hoavin’ity fampihavanam-pirenena ity”. Faniriany ny hitondran’ny rehetra ny anjara birikiny. Nantsoiny manokana ireo antoko politika, antokom-pivavahana sasany, fiarahamonim-pirenena, ny mpampianatra, ny mpitsara, ny administratera sivily, dokotera, tantsaha, gadra politika ary ireo Raiamandreny ara-drazana. Nihazo an’i Frantsa halina moa ny Amiraly mivady, hanao fizaham-pahasalamana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT