Miantso ny fandraisan’anjaran’ny isam-batan’olona ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara amin’ny fametrahana ny Repoblika vaovao. Antso izay tafiditra amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena hatramin’ny taona 2009.
Pejy vaovao mantsy no diavin’ny firenena malagasy ankehitriny taorian’ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery ary tokony hiova miaraka amin’izay ihany koa ny fomba fisainana hanarenana ny fiarahamonina rotiky ny tsy fitovian-kevitra sy ny fomba fijery politika samihafa. Mieritreritra rahateo ny filoha vaovao mitarika ny FFKM, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona fa mety kokoa ho an’ny daholobe ny mitondra fanampiana ny filohan’ny vahoaka malagasy vaovao. Tsy henoheno firy tokoa ny FFKM tao anatin’ny fotoana vitsivitsy saingy niasa mangina hanomanana ireo hetsika tokony hotanterahana, hoy ny fanampim-panazavana. Niezaka nanohy ny asa fanelanelana hatrany ireo raiamandreny am-panahy efatra mirahalahy tamin’iny taona 2013 nivalona iny saingy tsy tanteraka hatramin’ny farany izany noho ny tsy fahavononan’ny sasany mba tsy ilazana fa nisakana tsotra izao ny fametrahana ny filaminana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena.
Amin’izao fotoana izao dia miova tanteraka ny zava-misy satria fitondrana hafa mihitsy no mijoro sy mitsangana eto Madagasikara. Eo indrindra no mahatonga ny fanontaniana mipetraka ny amin’ny mety ho paikady vaovao hoentin’ny FFKM amin’ny fanatontosana ny fampihavanam-pirenena tena izy. Efa dingana iray lehibe aloha no vita teo amin’ny fifanatonan’ireo kandida filoham-pirenena roalahy niatrika ny fihodinana faharoa. Mbola ampahany ihany anefa izany satria tsy mbola tanteraka ny fihaonana mivantana teo amin’ireo filoham-pirenena telo mirahalahy miaraka amin’ny filohan’ny tetezamita eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara izay mitaky ny fiverenan’ny filoha teo aloha sesitany atsy Afrika Atsimo, Ravalomanana Marc eto an-toerana. Inoana fa ho laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana vaovao izy ity mba hisian’ny tena filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.