Fampielezana ny foto-piheverana Kristianina

Nivoaka ny gazety boky «Fahano ny saina sy ny fanahy»


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny foiben’ny fikambanana Kristianina «Madagascar 3M»

etsy Ambatoroka ny fivoahan’ny gazety boky Kristianina «Fahano ny saina sy ny fanahy». Isan-telo volana ny fivoahan’izany, hoy ny fanazavàna, ka kendrena voalohany ireo mpino Kristianina malagasy mangetaheta fianarana Baiboly mafonja no sady azon’ny rehetra raisina. Raha misy anefa olona tsy mbola nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy fa sendra maharay izany gazety boky izany ihany koa ka mahazo tombony avy aminy dia isaorana an’Andriamanitra, hoy ny tomponandraikitra, Faly Ravoahangy. Tsy mifidy anaram-piangonana na antokom-piangonana ny Fahano fa izay manana foto-pinoana mametraka an’i Jesoa Kristy ho Tompo, lalana sy fahamarinana ary fiainana dia afaka ary tokony hamaky izany. Ankoatran’ny eny Ambatoroka dia azo hanjifàna azy koa, noho izany, ny fiangonana rehetra te handray izany. Tsy ny hampidi-bola be amin’ny alalan’ny gazety no tanjona fa ny hampiely ny foto-piheverana Kristianina. Tsy matiantoka na mahazo tombony manao ahoana akory izahay, raha 7000 Ariary no hamarotana azy ity amin’izao fotoana izao ary arakaraky ny mety ho fipetraky ny fanjifàn’ny olona azy aza no mety hahamora kokoa ny fahafahan’ny rehetra mahazo izany ao aoriana ao, raha ny fanazavàna hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT