Finoana

Fampiasana telefônina any am-piangonana “Aoka izay !”, hoy ny filohan’ny Fjkm


  • Alatsinainy 09 Janoary 2017

Nanao antso avo ho an’ny mpino Fjkm rehetra manerana ny nosy ny filoha am-perinasan’ny Fjkm, ny mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa ny sabotsy lasa teo teny Ilafy.

 

 Aoka izay ny fampiasana telefaonina sy tablety atao solona baiboly sy fihirana any am-piangonana fa aleo ny baiboly sy fihirana no entina rehefa mandeha mivavaka, hoy izy. Mampifantoka kokoa amin’ny fonompoam-pivavahana sy ny toriteny mantsy ny fananana baiboly sy fihirana tena izy fa mety hitarika amin’ny zavatra hafa tahaka ny fandefasana sms, fanaovana facebook ... ny fananana finday na tablety rehefa any am-piangonana. Ny alahady teo ihany dia efa maro ny fitandremana Fjkm no nampita io vaovao io tamin’ny mpino. Samy manana ny fomba fandraisany azy moa ny rehetra. Tao ireo tonga saina ary tena resy lahatra fa marina io fanentanana nataon’ny filohan’ny Fjkm io. Tao kosa ireo mihevitra fa miankina amin’ny fahamatoran’ny tsirairay io fa tsy voatery ho voan’ny fakam-panahy rehefa mitondra telefaonina sy tablety any am-piangonana. Maro tokoa ny olona variana milalao telefaonina rehefa any am-piangonana, indrindra fa ny tanora koa heverina tsy tongatonga ho azy izao resaka izao. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny Fjkm Fihavaozana Manjaka Ilafy. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Fjkm Irako Ammi Andriamahazosoa, tany an-toerana ihany koa Atoa Marc Ravalomanana filohan’ny komity fankalazana ny faha-50 taona nijoroan’ny Fjkm. Ny taona 2010 no natomboka ny asa. Goavana tokoa satria misy rihana roa hatreto ary mbola azo akarina aza. Ao ambany rihana kosa no atao fiantsonan’ny fiara. Nanolotra simenitra 1 taonina ho fanampiana tamin’izao asa goavana izao moa Atoa Marc Ravalomanana.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT