Finoana

Famosaviana An-jatony isan’andro manatona ny vahao ny oloko…


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Betsaka ireo olona tratran’ny famosaviana midodododo etsy sy eroa amin’izao. Ankoatra ireo tsy hita maso fa mandeha any amin’izay toerana hametrahany fitokisana dia mahatratra an-jatony

 isan’andro ireo tonga manatona ny fiangonana Vahao ny Oloko etsy Andrefanambohijanahary. Raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala filoha mpanorina ity fiangonana ity dia maro tsy tambo isaina ny aretina mahazo ireo olona ireo. Anisan’ireny ny voan-kanina, ny lafika ho an’ny vehivavy, ody fitia...Toy ny fandraisana an-tanana ireo tsy salama rehetra raha araka ny fanazavany dia misy ihany koa ny fandroahana devoly sy ny fametrahan-tanana maharitra hatao amin’ireo tsy salama mba ahitana fahombiazana. Indroa na intelo isan’andro no hanatontosana izany raha araka ny fanazavany hatrany miampy vavaka. Nomarihin’ny pastera Heritiana moa fa anisan’ny fomba iray hahafantarana ny aretina ho mosavy ny tsy fahazoana fahasitranana ao anatin’ny iray volana. Raha marary an-doha ohatra ny olona iray ka mitohy lavareny izany hoy izy dia efa misy fanahy hafa miasa ao ambadika.
Pati
Legende : Ny pastera Randriarimalala Heritiana, filoha mpanorina ny fiangonana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT