Finoana

Faminanian’ny Akata « Goaikantitra politika lehibe 3 ho lasan-ko razana »


  • Sabotsy 02 Febroary 2019

Fanairana sy famohazam-panahy ho an’izay matoritory no adidy miandry ny Akata ao anatin’ny enim-bolana manaraka.

 

 

 

Nitondra hafatra farany mitodika amin’ny fiainam-pirenena ny Zanahary, hoy i Brice Christopher, filoha mpitarika ny fikambanana Akata. Amin’ity taona ity, hisy goaikantitra politika lehibe miisa telo ho lasan-ko razana. Nomarihany fa nampangirifiry ny firenena izy ireo. Hisy ihany koa ny andiam-balala handripaka ny faritra Alaotra Mangoro. Efa niteny ny Akata, hoy ity filoha mpitarika ity fa ho avy ny tondran-drano dia dibo-drano ny tany Atsimo saingy tsy nisy nino. Mampilaza mialoha ary mba iriana fa handray ireo voalaza ireo ny olona tsirairay. Efa tamin’ny 23 janoary lasa teo no nahazoana ny fanambarana. Ny Akata dia hanohy ny adidiny ary handray andraikitra amin’ny fampandrosoana. Tao anatin’ny faminaniana ihany koa dia mila managana tanàna vaovao izy ireo hitondra ny anarana hoe « Tanàna fitaratry ny masoandro ». Adidy nomena anay izany ary hatao amin’ny endriky ny vakoky ny Ntaolo taloha na ny fomba fiainana, ny fomba fiasa, fihariana ara-tsakafo, ara-pomban-drazana, ara-kolotoraly, ny ara-tsosialy, fihariana voara ara-pizahantany. Na fomba fianjaika, firandranana, fomba fametrahana ny vakoka rehetra izay hisy ao dia manaraka ny fomban’ny toerana sy faritra hanaovana azy. Tsy maintsy manorina izany ny Akata na any Atsimo na any Avaratra satria mila miteraka tanàna be dia be amin’ireo faritra 12 sahaniny mba ho filamatra sy aim-baovao amin’ny zavatra rehetra atao. Mahakasika ny famerana ny hasin’ny kolontsaina eto amintsika dia nilaza i Brice Christopher fa mampalahelo ny zava-misy satria resahina fotsiny ny hoe ny firenena mampiasa fomban-drazana, ny soatoavina maha izy azy dia misy fivoarana ara-pandrosoana. Amin’ny ankapobeny, ny firenena dia mandroso raha mantajaka ara-kolontsaina.

 

Marigny A. sy Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT