Finoana

Fametrahana ny filohan’ny Fjkm Hiavaka ny fotoana amin’ny Alahady


  • Zoma 23 Septambra 2016

Fotoana hiavaka ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny FJKM vaovao sy ireo birao mpiara-miasa aminy etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny alahady izao, hoy ireo tompon’andraikitra am-perinasa eo anivon’ny foibe FJKM.

 

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny foiben’ny FJKM etsy Analakely tamin’ireo mpanao gazety ny fizotran’ny lanonana amin’ny ankapobeny, hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Sambany teo amin’ny tantaran’ny FJKM no nisy fametrahana filoha sy birao amin’ny fomba manetriketrika toy izao, hoy ny tompon’andraikitra ary inoana fa ho heno eo izay drafi-pitantanana kasain’ny filoha vaovao, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, hitondrana indray ny FJKM mandritry ny 4 taona. Malaza ho mahitsy sy tsy azo avilivily amin’ny hevitra heverina hahasoa ny ondriny moa ity filoha vaovao ity ary dia maro ireo mpanao politika ahiana tsy hahita rirany intsony amin’ny fampijabahana ny fiangonana ao anaty raharaha politika maloto.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT