Famaranana tafika masina iombonana

Sabotsy tontolo andro eny Sabotsy Namehana


  • Zoma 04 Jolay 2025

Ho famaranana ny tafika masina iombonana ao Avaradrano miaraka amin’ny toby

Fiombonana Manantena tsara sy ny Ezaka vaovao mahafaly na EVM dia hisy ny hetsika samihafa ho karakarain’izy ireo ao amin’ny tany malalaka na «terrain» Sabotsy Namehana. Eo ambany fiahian’ny ben’ny tanànan’i Sabotsy Namehana ny hetsika, hoy ny fanazavàn’ny mpikarakara. Ny sabotsy 5 jolay tontolo andro no hanatanterahana ny hetsika ary hanasàna ny rehetra tsy an-kanavaka ho tonga amin’izay ora maha afaka azy. Hisy ao anatin’izany ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, fitoriana, fanentanana, rindran-kira samihafa. Manomboka amin’ny 3 ora sasany tolakandro kosa ny asa sy fampaherezana ataon’ireo mpiandry. Hisy vavaka ho an ‘ny tsirairay ary tsy misy vidim-pidirana fa ento izay foinao, hoy hatrany ny fanazavàna. Isan’ireo mpihira ara-pilazantsara ho hita eny an-toerana ny M’Zarah Fitia, Tarika Dafy, Groupe Tanjona, Mitalily Soa, antoko mpihira samihafa sy mpanakanto tsy ampoizina.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT