Finoana

FAMARANANA NY RAMADANY Nanome sakafo ho an’ny sahirana 400 isa ny AHMADIYYA


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Mahatsapa ny fahasahiranan’ny mpiara-belona aminy ireo mpino Mozilimana mivondrona ao amin’ny Association Mozilimana Ahmadiyya de Madagascar etsy Andavamamba.

Betsaka ireo tsy mahita hohanina mandavan-taona noho ny hasarotan’ny fiainana hoy izy ireo omaly, antony nizarany fanampiana ho an’ireo olona 400 isa teto Antananarivo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny famaranana ny ranadany ny hetsika, didy napetraky ny mpaminany masin’ny fivavahana Islam i-Hadhrat Muhammad Mustafa. “Fitrana” no anarana nampitondrainy io hetsika io mba hahazoan’ny mpiara-belona sy Andriamanitra Andriananahary fifaliana. Tsy nisy fanavahana moa ny fizarana izany fanampiana izany na ara-poko na ara-pinoana fa saika nahazo avokoa ny rehetra ao anatin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : fitiavana ho an’ny rehetra, tsy misy fankahalana na iza na iza. Nahitana vary 3 kg, siramamy 1 kg ary spaghetti 2 fonosana izany. Ankoatra ireo sahirana eto Antananarivo moa dia nahazo ny anjarany ihany koa ny tany Fianarantsoa, Manakara, Toliara ary ny Faritr’i Melaky.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana omaly tetsy Andavamamba!

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT