Famaranana ny ramadany

> Niara-niombom-bavaka tetsy Mahamasina ireo mpino silamo


  • Zoma 09 Aogositra 2013

Tapitra omaly alakamisy 8 aogositra ny iray volana nananaovan’ny mpino silamo maneran-tany fifehezan-tena na “Aid Il Fîtr”. Ho an’ny teto Antananarivo dia fotoam-bavaka lehibe tetsy amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina no nentina namaranana ity hetsi-pinoana.

Naverin’ny Imam Léon Chaaban nitarika ny fotoana fa voafehin’ny Kôrany ny fitorian’ny mpino silamo ny fitiavana any amin’izay toerana rehetra misy azy. Mbola notsiahiviny koa fa fototra faha-efatra amin’ireo dimy iorenan’ny finoana silamo ny fanaovana ramadany ary ho hafaliana no ho setrin’ny fanatanterahana izany. Mitovy amin’ny nahavita fifehezan-tena herintaona ny fahavitan’ny mpino silamo fifehezan-tena nandritra iny volana ramadany iny, hoy izy ary tena voalazan’ny Kôrany izany. Fiainam-baovao ao anatin’ny fifamelana sy fifankatiavana ary fifandeferana no hidirana manomboka eto, araka ny finoana, ka dia nifampiarahaba «Id M’Barak» ny mpino silamo rehetra satria nahatody ny tanjona sarotra sy be fakam-panahy, hoy hatrany ny Imam Léon Chaaban. Samy manana ny fomba fanatanterahany ny fety firavoravoana sy fiaraha-misakafo any amin’ny misy azy kosa ny rehetra taorianan’io fotoam-bavaka niarahana tetsy Mahamasina io.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT