Finoana

FAMARANANA NY FAHA 40 TAONAN誰Y STK FJKM Nomarihina tamin地y asa soa ho an地y kaominina Antsirabe


  • Alakamisy 04 Desambra 2014

Anisan地y nanamarika ny famaranana ny faha-40 taona niorenan地y S.T.K na ny 鉄ampana Tanora Kristianina� eo anivon地y Sahan地y fiangonana FJKM ny Asa soa ho an地y tan瀟an但ntsirabe

Nisy, araka izany, ny fanadiovana ny zaridainan’Andranomafana sy ny tokotanin’ny kaominina Ambonivohitra ary ny fanolorana loko nilanja 25 kilao mba handokoana ny efitrano fisoratam-panambadiana ao amin’ny kaominina izany. Nialoha ny fihaonana moa dia nisy ny fivorian’ireo komity lehiben’ny S.T.K Foibe ny alakamisy sy ny zoma ka ny fanomanana ny tetikasa sy ny tetibola ho an’ny taona 2015 no nodinihina tamin’izany. Nambaran-dRtoa Rajaonarivelo Ony Finaritra,Tonian’ny S..K Foibe fa anisan’ny fanambin’izy ireo ho tsangambaton’ity faha-40 taona ity ny fametrahana ny “Base de Données” ho an’ny S.T.K Foibe ka ahafantarana marina ny isan’ireo mpikambana manerana ny Nosy sy ny hanorenana ihany koa ny foiben-toeran’ny S.T.K foibe ao Antananarivo ka handraisan’ireo tanora anjara vola 500 Ariary isam-batan’olona izany. Mpizaika nanodidina ny 2.000 teo ho eo no niatrika ity hetsika tao Antsirabe ity, izay avy tamin’ireo sahan’ny FJKM manerana ny Nosy ary ny tenin’Andriamanitra nalaina tao amin’ny Romana 13: 12 “Aoka hariantsika ny asan’ny Maizina ka hotafiantsika ny Mazava”, no niainan’ireo tanora tamin’izany. Nisy ihany koa ny diabe namakivaky ny tanànan’Antsirabe ny alahady nialoha ny fotoam-pivavahana famaranana tao amin’ny FJKM Ambohimandroso Filadelfia Avaratsena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT