Falda Antanimena

> Ambohipihaonan’ireo Oloben’ny Fiangonana Katolika eto Antananarivo


  • Alatsinainy 10 Martsa 2014

Nankalaza ny fetin’ny Eveka Mpanampy Mgr Raoelison Jean de Dieu ny mpino katolika ato anatin’ny diosezin’Antananarivo omaly 09 martsa 2014.

Tonga niatrika tao amin’ny Falda Antanimena avokoa ireo tompon’andraikitry ny Fiangonana Katolika rehetra teto Antananarivo. Voaasa tao ihany koa i Patrick Raharimanana izay fantatra araka ny tsiliantsofina fa anisan’ireo ao anaty lisitra hisafidianana ho Praiminisitra, satria izy dia mahafeno ilay fepetra tadiavin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina. Avy any Antsiranana mantsy ny fiavian’ny reniny, Mahajanga ny rainy, izy rahateo teraka tany Fenoarivo Atsinanana, injeniera teknisianina havanana momba ny rano, ny fambolena, ny famokarana herinaratra, ary mpahay manokana momba ny fitantanana sy famoronana orinasa. Ny Filoha moa dia protestanta loterianina, ka mety hirona any amin’ny Katolika ve ny safidiny ? I Patrick Raharimanana rahateo efa nilaza hatrany am-piandohana vao resy tamin’ny fihodinana voalohany fa hanohana an’i Hery Rajaonarimampianina ho Filoha, ary hanohana an’ny MAPAR, solombavambahoaka miaraka amin’i Andry Rajoelina ihany koa mba hisian’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana, satria fantatra fa izay maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena no hanolotra ny praiminisitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT