Finoana

Fakana ny fananan’ny FJKM Mpivadika palitao manompo mpitondra no ao ambadika


  • Alakamisy 22 Aprily 2010

Resabe mandraka ankehitriny ny amin’ireo fitaovana fanamboarana trano sekoly an’ny FJKM, voalaza fa nisy naka tsy niera teny Alarobia ary mbola misy mikasa haka an-keriny ihany koa ao Toamasina.

Mifamahofaho be ihany ny vaovao mikasika azy io. An-daniny ny Minisiteran’ny fampianarana ambony dia nilaza tamin’ny alalan’i Tongavelo Athanase, fa fananam-panjakana ary volam-panjakana no nahazoana ireo fitaovana ireo. Etsy an-kilany anefa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Foibe FJKM dia milaza fa ananan’ny fiangonana porofo ara-taratasy ny maha fananan’ny FJKM ireo fitaovana fanorenan-tranon-tsekoly ireo. Fa loharanom-baovao hafa indray no milaza fa tompon’andraikitra misahana ireny tolobidim-panjakana ireny, miasa amina Minisitera mahakasika ny fampianara no mitady ny fomba rehetra hakana ireo fitaovana ireo. Ny antony dia mba hampisehoana amin’ny mpitondra ambony ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita fa olona mahatoky, hono, izy ary vonona hanohana izao fitondrana mahefa izao. Efa tompon’andraikitra misahana ny tolobidim-panjakana tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana anefa izy io ary naharitra ela tao, na dia nalaza ho mampijaly ireo “fournisseurs” aza. Raha tsy mahatolotolotra tsy mivoaka ny volan’izy ireo. Nandeha mihitsy aza ny resaka fa itsongolohany avokoa izao pitsopitson-javatra rehetra izao mba hampitahorany ireo “founisseurs» fa tsy ho azo mihitsy ny vola. Tetika izay nanome vahana ny risoriso. Vola izany no ivavahan’io tompon’andraikitra io. Ka tsy mampaninona azy ny mivadika palitao manompo ny mpitondra rehefa ahitany vola. Mbola io loharanom-baovao io no milaza fa mahafantatra tsara fa ara-dalàna ny taratasin’ny FJKM mikasika ireo fitaovana fanamboarana sekoly ireo fa dia fanararaotam-pahefana no betsaka ary ny tena mampalahelo, hoy ihany ny loharanom-baovao dia Diakona Fjkm ity tompon’andraikitra ity. Miharihary ankehitriny fa ireo zanaky ny FJKM tia vola ihany no namadika an’i Marc Ravalomanana.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT