Finoana

Fahatsiarovana ny Imam Houssen Tsy hiasa ireo Silamo Chiite anio


  • Alarobia 12 Oktobra 2016

Fotoan-dehibe ho an’ireo mpino Silamo chiite maneran-tany ny datin’ny anio alarobia faha12-n’ny volana oktobra.

 

Tsarovana anio mantsy ny nanaovana fahirano ny mpaminanin’izy ireo Imam Houssen sy ireo fianakaviany ary ilay zanany lahy kely vao enim-bolana monja maty notifirin’ny miaramila tao Barbala Irak noho ny tsy fitiavan’ny mpanjaka tany an-toerana ny finoana Silamo sy noho ny fiarovan’izy ireo ny fahamarinana. Betsaka amin’ireo mpino Silamo araka izany no tsy hianatra sy tsy hiasa anio eto amintsika fotoana iray tokony hotsarovan’ny governemanta Malagasy ihany koa, hoy Cheikh Rijaly mpitarika ny finoana Silamo Ummi eny Anosimasina Itaosy ka hitsinjovana manokana azy ireo. Nisy ny hetsika nentin’izy ireo nanamarihana izany omaly toy ny famangiana ny fasan’ny mpaminany teny Ivato, fizarana rano ho an’ny olona rehetra milaha-drano teny  Ampasika Itaosy sy ny manodidina ankoatra ny vavaka manokana ho an’ny ankizy rehetra maneran-tany mba ho arovan’Andriamanitra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT