Finoana

Fahatongavan’i Papa Fransoa Maro ny fepetra noraisin’ny mpitandro filaminana


  • Zoma 06 Septambra 2019

Mpitandro filaminana ahitana ny zandary, ny polisim-pirenena ary ny tafika no hifanome tanana amin'ny fametrahana ireo lamina efa napetraka amin’ny fahatongavan’i Papa Fransoa. Ho hentitra ny fanarahamaso izany amin'ny maha filoham-panjakana azy hoy izy ireo ary tsy maintsy misy ny fepetra manokana apetraka ho fitandroana ny filaminana amin'ny fahatongavany anio.

 

 

Azo atao ny mitsena sy mijery an'i Papa Fransoa manamorona ireo sisindalana lalovany hoy ny mpitandro filaminana saingy voafetra kosa ny fanatonana azy akaiky. Tsy misy mihitsy ihany koa ny fandrarana ireo mpino Katolika hitsena an'ny Papa Fransoa raha ny nambaran'izy ireo tetsy amin'ny toby Ratsimandrava omaly. Misy kosa anefa izany fepetra tsy maintsy harahina izany ary manentana ny rehetra mba hanaraka ny lamina. Ankoatra ny fandaminana ny fivoahana sy ny fidirana ao Soamandrakizay dia misy ihany koa ny fepetra tsy maintsy arahin'ireo mpino rehetra tonga eny an-toerana toy ny tsy fahafahana mitondra zava-maranitra.Tsy azo atao ihany koa ny mivarotra zava-pisotro misy alikaola manodidina ny toerana. Voafetra ny ora fidirana ao ny alahady 8 septambra izao. Manomboka ny Sabotsy amin'ny 1ora atoandro ka hatramin'ny alahady amin'ny 5 ora maraina no ahafahan'ireo maniry hitondra fiara miditra amin'ny toerana natokana ho amin'izany. Ny alahady manomboka amin'ny 5ora maraina ka hatramin'ny 8 ora maraina kosa ny fidirana ho an'ireo mpino hamonjy ny sorona masina lehibe hotarihin'ny Papa Fransoa.Tsy tokony hisy intsony ny fivezivezena aorian'izay hoy ny mpitandro ny filaminana. Marihina fa ireo manana ny tapakila ihany koa no afaka miditra any Soamandrakizay mandritra ny fotoam-pivavahana. Mahakasika ny fivoahana any aorian'ny sorona masina kosa dia hisy ny toromarika homena eny an-toerana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT