Finoana

Fahatongavan’i Papa Fransoa EPP 12 no handraisana ireo mpizaika


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Rempotra tanteraka ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra ankehitriny.

 

 

 

Ankoatra ny fanomanan’izy ireo ny efitrano fianarana handraisana ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana BEPC manomboka amin’ny alatsinainy 09 septambra ho avy io mantsy dia miomana fatratra amin’ny fahatongavan’i Papa Fransoa ihany koa izy ireo izay higadona eto an-tanindrazana amin’ny zoma ho avy izao, ka anisan’ireny ny fandraisana ireo mpizaika. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana dia fantatra fa sekoly ambaratonga fototra miisa 12 no tsy maintsy karakaraina handraisana ireo mpizaika ireo.  Tsy ampy izany amin’ny ankapobeny raha ny isan’ireo vahiny  saingy noho ny fisian’ny fanadinana BEPC dia tsy nokasihina avokoa ireo sekoly ambaratonga faharoa rehetra. Tsiahivina fa 8 hetsy raha kely ireo olona hivahiny eto an-drenivohitra mandritra ny fahatongavan’i  Papa Fransoa, fotoana iray hahafahan’ny rehetra mangataka tso-drano sy vavaka  aminy ihany koa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT