Finoana

Fahatongavan’i Papa François Mpino kristianina 5300 avy any Mahajanga no hiakatra eto an-drenivohitra


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Miomana fatratra amin’ny fahatongavan’i Papa François eto an-tanindrazana amin’izao ireo mpino Katolika any Mahajanga.

 

 

Raha araka ny fantatra dia miisa 5.300 izy ireo no hiakatra eto an-drenivohitra amin’ny fiandohan’ny volana septambra ho avy io. Ankoatra ireo zotra nasionaly efa mahazatra dia miantso ireo zotra ao an-drenivohitr’i Boeny ihany koa ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana any an-toerana mba hifanampy amin’ny fitaterana ireo mpino Kristianina ireo. Tsy maintsy handalo fitsirihina in-droa miantoana anefa ireo fiara hitatitra mialoha ny hiaingany any an-toerana hisorohana ny loza izay vao mahazo ilay fahazoan-dalana manokana avy amin’ny ATT any an-toerana izy ireo. Ho an’ireo fiaran’olon-tsotra mahazaka olona maro kosa nefa vitsy ny tompony hamonjy ny fahatongavan’i Papa  eto an-drenivohitra dia miantso ny fanomezan-tanana avy amin’izy ireny ny ATT saingy tsy maintsy ny isan’ireo olona voasoratra ao anaty “carte grise” ihany no entina fa tsy mahazo manao taingim-be.

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT