Finoana

Fahatongavan`ny Papa Ray Masina Vonona ny mpitandro filaminana


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Nivory ny OMC NAT (Organisme de conception mixte national) tao amin`ny toby Ratsimandrava omaly niaraka tamin`ireo minisitra mpikambana ao anatin`ny governemanta, izay misahana ny fandriampahalemana eto amin`ny tany sy ny fanjakana.

 

 

Handray ny Papa Ray Masina isika, izay ho tonga andro vitsivitsy  ka voninahitra lehibe ho an`ny Malagasy iray manontolo, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Jeneraly Richard Rakotonirina. Nomarihany fa miverina tanteraka eo amin`ny sehatry ny iraisam-pirenena  isika eto Madagasikara.  Zava-dehibe eto amin’ny firenena ny fitsidihan`ny Papa Ray Masina ka niompana amin`ny fepetra horaisina momba izany ny fivoriana. Notapahina koa ireo pitsopitsony hanatontosana ny fahatongavan’ny Papa Ray Masina mba ao anaty saina milamina. Tsiahivina fa maherin`ny enina hetsy ireo mpino ho avy ka  ny dimy hetsy avy eto amin`ny diosezin`Antananarivo. Miandrandra ny fahaiza-manao sy mampiseho ny reherahantsika malagasy amin`ny fahaizana fandraisana olona ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Handray vahiny goavana i Madagasikara ka miomana ny mpitandro filamanana amin`ny fivahinianan`ny Papa Ray Masina ao anatin`ny fandriampahalemana, ao anaty filaminana tanteraka, fifankatiavana eo amin`ny samy Malagasy. Ny minisitry ny filaminana anatiny jeneraly Roger Rafanomezantsoa dia nitondra fanamarinana amin`ireo fiaraha-miasa eo amin`ireo samy mpitandro filaminana. Nahitana olana sy zavatra tsy nety tamin`ny 26 jona na koa tamin`ny fandraisana ny BAREA ka mila sorohina izany fa tsy misy tokony hifanilika andraikitra. Noho izany, ilaina ny firaisankina, hoy izy. Mila hamafisina ihany koa ny fanangonana loharanom-baovao, hoy ihany izy. Ny sekreteram-panjakana jeneraly Richard Ravalomanana miadidy ny zandarimariam-pirenena dia nitondra ireo fanamarinana ara-teknika izay tokony hojerena akaiky toy ny resaka fitaovana fanaraha-maso (OTME). Hanetsika mpitandro filaminana 7 500 ny fitondrana. Vonona ny mpitandro filaminana ary efa tao anaty andro maromaro no nanao fanazaran-tena. Miantso ny vahoaka kosa ireo mpitandro filaminana mba hanaraka ny toromarika rehetra omen`ireo mpitandro filaminana na koa omen`ireo tompon’andraikitra katolika mba tsy hisian`ny zavatra manahirana raha misy tranga tsy dia matotra loatra. Ny fanarahana toromarika dia fomba handrindrana ny fivahinianan`ny Papa Ray Masina eto amintsika izao, ny 6 hatramin`ny 10 septambra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT