Finoana

Fahatongavan'ny Papa François Ny Eveka miantoka ny vola fa an’ny fanjakana ny filaminana


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Vonona hiantoka ny fandriampahalemana ny fanjakana. Nisava kosa ny ahiahy sy ny fireharehana.

 

 

 

Tsy ny fitondrana no hiantoka ny fandaniana, ny fivondronamben’ny evekan’i Madagasikara no tompon’ny fanasana sy hiantsoroka ny ara-bola rehetra, araka ny fanambaran’ny solontenan’ny Papa Ray Masina, Monseigneur Paolo Rocco Gualtieri, omaly nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety mikasika ny fahatongavan’ny Papa François, ny volana septambra izao. “Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ny fitandroana ny filaminana, tsy atao ambanin-javatra izany.” Io no valin-tenin'ny solontenam-panjakana, Andriamparany Ramanatsitohaina, izay ao anatin'ny komity mpanomana ny fahatongavan'ny Papa Ray Masina manoloana ny fakana an-keriny sy ny fanafihana mitam-piadiana mirongatra eto Madagasikara, araka ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazetinay. Omaly tamin'ny 2ora tolakandro no nanambara ofisialy io fitsidihana eto amin'ny Nosy io ny 6 ka hatramin'ny 10 septambra, ny solontenan'ny Fiketrahana masina monina sy mipetraka eto Madagasikara, teo amin'ny Nonciature Ivandry. Nifandimby nandray fitenenana ireo solontenan'ny Eveka tonga teo nanazava fa mila fiomanana amin'ny lafiny rehetra, indrindra ara-panahy izao fitsidihana apostolika izao iandrandrana ilay "Mpamafy fiadanana sy fanantenana", araka ny teny manentana. Ny fivondronamben'ny Eveka no mandamina sy mizaka ny fandaniana ara-bola, araka ny fanambaran'ny Nonce Apostolique izay masoivohon'ny Vatika eto amin'ny ranomasimbe Indianina, omaly nandritra ny famelabelaran-kevitra ho an'ny mpanao gazety. Amin'ny maha filohan'ny fanjakana Vatikana ny Papa Ray Masina, ny filoham-pirenena mivady no handray azy voalohany eo amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny tolakandron'ny 6 septambra. Hitohy amin'ny fitsidihana eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha izany. Hihaona amin'ny mpitondra sy ny mpanao politika ary ny firaisamonim-pirenena ny Papa. Hidinika hiaraka amin'ireo Hery velon'ny fiangonana katolika, indrindra ny pretra sy relijiozy koa izy. Ny alahady 8 septambra izy no hitarika lamesa eto Antananarivo izay fihaonamben'ny Kristianina katolika manerana ny Nosy. Hihazo ny Nosy Maorisy izy ny alatsinainy  9 septambra  ary hiverina  eto Madagasikara ny harivan'io. Ny talata 10 septambra ny Papa no hiverina hitodi-doha any Roma. Tsiahivina fa 30 taona katroka amin'ity taona ity ny fitsidihan'ny Md Papa Joany Paoly faharoa teto Madagasikara.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT