Finoana

Fahataran’ny vaksiny sy fepetra Covid 19 Malagasy an-jatony no tsy afaka ho any La Mecque


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Ao anatin’ny ramadany tanteraka ankehitriny ny mpino silamo manerana izao tontolo izao, anisan’izany ny eto Madagasikara.

 

 

 

Miditra amin’ny herinandro fahatelo ny fifehezana ho azy ireo. Miisa dimy ny andrin’ny finoana silamo, dia ny fanekena fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Andriamanitra tokana, ny fifadian-kanina, ny vavaka in-5 isan’andro, ny fanomezana ho an’ny mahantra ary ny hadj na fivahinianana masina any La Mecque - Arabia Saodita. Ity farany dia tsy maintsy tanterahin’ny mpino silamo farafaharatsiny in-dray mandeha mandritra ny androm-piainany. 500 ka hatramin’ny 600 eo isan-taona ny mpino silamo Malagasy manao fivahinianana masina any La Mecque. Anisany manampy amin’ny fanatanterahana izany, amin’ny fanomezana tapakila maimaimpoana hahafahan’ny Malagasy mandeha, ireo firenena toa an’i Arabia Saodita, Jordania, Qatar, Ejipta ary Koweit. Tsy hisy Malagasy ho afaka handefa amin’ity 2021 ity, noho ireo fepetra apetraky ny fanjakana malagasy. Eo ny fanidiana tanteraka ny sisintany ka tsy isian’ny sidina, eo koa ny tsy mbola fisian’ny vaksiny fiarovana amin’ny coronavirus eto Madagasikara, ary raha ho tonga afaka tapabolana araka ny vinavina aza ny vaksiny dia mbola ny mpitandro ny filaminana sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary ireo zokiolona no laharampahamehana amin’izany. Ny fanjakana Saodiana etsy ankilany nametraka fepetra fa tsy maintsy vita vaksiny coronavirus, in-droa nitsindrona ka farafahatarany tao anatin’ny 14 andro ny tsindrona faharoa, izay hamonjy hadj. Silamo iray alina isa teo ho eo, mipetraka any Arabia Saodita, no hany afaka nanao hadj tamin’ny taon-dasa 2020 noho ity valanaretina coronavirus ity, raha toa ka manodidina ny 2,5 tapitrisa eo izany isan-taona. Tombanana ho 50.000 ka hatramin’ny 100.000 eo no afaka hanatanteraka izany isan’andro amin’ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT