‘’Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny ; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra. Eny, tsy eo ny fahamarinana. Ary izay mifady ny ratsy dia ohatra ny manolo-tena hobaboin’ny sasany. Ary hitan’i Jehovah ny tsy fisian’ny rariny, Ka nataony fa ratsy izany ‘’( Isaia 59 : 14,15)
Ny Isaia toko faha-59 dia mampiseho fa tsy manary ny olony Andriamanitra fa te hamonjy sy vonona hihaino hatrany ny fitarainany Izy. Ny olana dia ireo vahoakany ireo no nihemotra tamin’ny fahamarinana ka nanilika ny ‘’rariny’’ sy ny ‘’hitsiny’’ izay lalana tena mifanalavitra amin’ny an’Andriamanitra, dia Izy Ilay Marina ka tia rariny ary manao ny hitsiny tokoa amin’ny fitondrany ny olony : ‘’ Mahari-po Jehovah sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.’’ (Nomery 14 :18). Ny fahamarinana ambaran’i Isaia Mpaminany eo amin’ny And 14 eto dia ilay antsoin’ny teny Hebreo hoe :’’emeth’’ izay midika ho ‘’tsy fivadihana’’ na hoe ‘’fahamarinan-toerana’’ (stabilité). Rehefa akisaka ny ‘’fahamarinana’’ dia midika ho tsy fahamarinan-toerana koa izany ary ny loza dia ‘’tsy fahamarinan-toerana’’eo anatrehan’Andriamanitra mihitsy. Vonona hihaino antsika Andriamanitra ka hamonjy fa tsy marim-pototra ny fifandraisana Aminy satria nahilika sy nampanalavirina ny fiarahamonina ny ‘’marina’’ ka dia tsy tanteraka ny famonjena.
Fieritreritra :
Mampieritreritra fa toa ny marina indray no diso eo amin’ny fiarahamonina misy antsika anie e. Izay tsy manao kolikoly dia toy ny olona ‘’tsy mahalala fomba ‘’ no handraisan’ny sasany azy. Mahagaga fa toa misy ‘’tsy fahatsiarovan-tena faobe’’ izany eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy ka raisin’ny rehetra ho ara-dalàna sy zava-mahazatra ny mandeha amin’ny lalan’ny ratsy fanahy na ny miaina anaty loto sy fotaka ara-bakiteny sy ara-keviny. Indrisy fa marina amintsika ny teny hoe ‘’ Ary izay mifady ny ratsy dia ohatry ny manolo-tena hobaboin’ny sasany” ( Isaia 59 : 15). Ohatra faran’izay tsotra ny zava-miseho eo amin’ny filaminan’ny fifamoivoizana. Fa misy sokajin’olona sasany “zatra tsy manara-dalàna’’ eo amin’ny fitondrana fiarakodia ka na ry zareo ireo na tsia no voatondro fa mandeha mialoha dia ny hisisika handeha aloha hatrany no ataon-dry zareo. Izay dia zava-misy iainana eny amin’ny arabe. Fa ny tena mampalahelo dia ‘’naka tahaka azy ireo ny maro’’ ka izay manara-dalàna no tavela eo. Ary raha mba miana-kendry midrinkina ianao fa tsy mety izao dia ‘’hihomehezan’ny olona ‘’ ianao satria ‘’efa mirona amin’izay ny ankamaroan’ny vahoaka’’. Ho aiza marina ity firenentsika sy izao fiaraha-monina izao raha hirona hanao ny ‘’tsy rariny’’ ny maro ? Azo antoka fa tsy hihaino antsika Andriamanitra ary horaisin’ny taranaka mandimby antsika ho ‘’rariny ‘’ sy ‘’hitsiny’’ ho azy ireo ny ‘’lalan-diso nalehantsika’’. Mbola azo harenina anefa izany amin’ny fanarahana ny fampianaran’ny Soratra Masina hoe :
‘’ Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo. Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro’’ (Amosa 5 :14)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.