Finoana

Fahamarinana sy fihavanana Malagasy Resaka poakaty, hoy ny FFKM


  • Alarobia 28 Jona 2017

Nasongadin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina nandritra ny lahateny asaramanitra fanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny 26 jona 2017 teo,

 teny Iavoloha, ny maha zava-dehibe ny fifanomezan-tanana sy ny fihavanana. Mahatsapa rahateo ny filoham-pirenena fa mamotika ny fiarahamonina Malagasy ny tsy fahamarinan-toerana miaraka amin’ny tsy fisian’ny fototra ara-dalàna eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Variana mifanome tsiny sy mifamingana rahateo ny mpanao politika Malagasy ka mijanona ho resabe ny fampandrosoana nampanantenaina ny mpiray tanindrazana, araka ny fanamarihany. Mihoatra lavitra noho izay kosa ny fahitan’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) ny zava-misy eto amin’ny firenena. Hafatra novoizin’ireo raiamandreny am-panahy tao anatin’ity fankalazana ny fetim-pirenena ity moa ny fanaovana anjorom-bala ireo soatoavina mampiavaka ny mponina eto Madagasikara. Tsy nisalasala ireo filoha mpitarika ny FFKM nilaza fa poakaty mihitsy ny fahamarinana sy ny fihavanana eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy. Be loatra ny lainga sy ny fitaka ao anaty fiarahamonina, tsapa isan’andro izany ary na ny mpitondra sy ny mpanao politika aza dia misy tena manampahaizana manokana momba an’io “tsy fahamarinana” io. Mazava fa resabe fotsiny ny fampihavanana rehefa tsy misy fahamarinana.


Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT