Finoana

Fahalovana, kolikoly, fifampihantsiana,… Mafonja hafatry ny Papa sy ny Eveka


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Nitondra hafatra mafonja ny Fivondronamben’ny Eveka katolika ny faran’ny herinandro teo taorian’ny fivoriany tany Roma niaraka tamin’ny Papa Fransoà sy ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny ao Vatican,

entina hanomezana aim-panahy ny rehetra mialohan’ny fiatrehana ny Fetin’ny Noely. Misy ny hafatra avy amin’ny Papa Fransoà izay naneho, fa hafaliana tokoa no nandraisany azy ireo nandritra ny herinandro tao Vatican izay namelona tao am-pony ny fahatsiarovana tsara tamin’ny namangiany ny Nosintsika sy nandraisan’ny vahoaka Malagasy azy, ny laza tsaran’ny fiangonana toy ny fanasoavana ny mpiara-belona,… Etsy ankilany, nanohina ny fon’ny Papa ny nandre ireo voina natoraly nandalovan’ny firenentsika (rivo-doza, tondra-drano…), ny fahenoany ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny ka nampitondra ny hafatra izy mba hamerina hiaina ireo soatoavina maha malagasy izay tsikaritra ho mihamanjavona, indrisy, vokatr’ireo karazan-trangan-javatra, maro mpivoy, mamotika azy. Anisan’izany ny fifampihantsiana sy ny tsy fifanajana intsony eny amin’ireny fitaovan-tserasera isan-tsokajiny ireny, ny kolikoly atao isan’ambaratongany izay mampikaikaika ireo tsy manam-peo sy tsy mba manam-piahy, ny tsy maty manota ireharehan’ireo mihevitra ny tenany ho tsy azo atao inona, noho ny fananany vola sy ny tanjany ara-piarahamonina, ny famotehana ny sehatry ny fanabeazana izay miseho amin’ny lafiny maro, ny fahamaizan’ireo ala arovana… Vokatr’izany, efa mitady ho vilian-tsahona ny fihavanana, very ny hasin’ny Raiamandreny, ny herisetra sy ny fisolokiana no lasa hery manentana ny tanora. Anatin’izany tranga rehetra izany no nilazan’ny Papa fa adidy sy andraikitry ny Eglizy ny miaina voalohany ny soatoavina sy fahendrena amin’ny alalan’ny fiarahany dia amin’ny vahoaka amin’ny sehatra sosialy, hoy hatrany ny tatitry ny Fivondronamben’ny Eveka. Izany hafatra izany no anentananay antsika mianakavy mba ho vavolombelon’ny fifampitsinjovana isika eny amin’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay, araka ny sokajiny avy, hoy ny Fanambarana, izay raha aravona dia maneho fa ny kristiana no afaka manova ny fiarahamonina ho tsara. Niantefa tamin’ny mpitondra isan’ambaratongany ihany koa mba hihaino ny marary ny vahoaka (sosialy, ekonomika…) ary tsy tokony hanararaotra ny fahantran’izy ireo. Niantso ny vahoaka ihany koa hanaja ny fananana iombonana ary hanalavitra ny fifaniratsirana sy ny fifampihantsiana tsy mitondra fitoniana sy tsy mamaha olana ara-pahasahiranana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT