Finoana

Fahalasanan’ny Papa Benoit XVI Miombon’alahelo amin’ny Katolika ny Apokalipsy


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Miombon’alahelo tanteraka amin’ireo fianakaviamben’ny Eglizy Katolika ny fiangonana Apokalipsy maneran-tany tarihin’ny pastera Mailhol Andre Christian Dieudonné amin’izao fahalasanan’i Papa Benoit XVI izao.

Mafibe ilay fifandaozana an-tany sy ny aina misaraka hoy pastera Mailhol no sady olona tso-po, tsara fanahy nahay nifandray tamin’ny olon-drehetra ihany koa i Papa Benoit XVI ka mendrika ny hotsarovana manokana. Manamafy izany hoy izy ny voalazan’ny soratra masina hoe : miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha ory amin’izay ory. Notsiahiviny moa fa maro tamin’ireo fampianarana nataony no nampitain’i Papa Benoit XVI tamin’ny mpino ary niteraka vokatsoa ho an’ireo nandray izany. Zanaky ny Eglizy Katolika moa i pastera Mailhol, izay namolavola sy nahatonga azy ho olom-banona raha araka ny fanazavany hatrany.
FAMARANANA NY FAHA-25 TAONA
Mikasika ny fiangonana Apokalipsy manokana dia fantatra fa hofaranana amin’ny Sabotsy 07 Janoary ho avy izao ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny Radio Fanambarana, Radio Kristiana voalohany nitorian’ny pastera Mailhol ny tenin’Andriamanitra sy nampitomboany ny ambaindahin’ny filazantsara nentina namonjena fanahin’olona maro teto amintsika. Fotoam-pivavahana lehibe hotanterahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe no hanamarihany izany amin’io andro io. Mialohan’izany anefa dia hisy ihany koa ny fitokanana ny studio-n’ny Radio Fanambarana vaovao eny Atsimondrova ny andron’ny Zoma 06 Janoary. Manaraka ny fenitra sy ny fandrosoan’ny teknolojia tokoa ity studio vaovao ity izay marihina fa hametrahana ny televiziona Apokalipsy eto Antananarivo atsy ho atsy.
Pati
Legende : Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy anisan’ireo zanaky ny Eglizy Katolika tamin’izany fotoana ihany koa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT