Finoana

FAHAGANANA SY FANASITRANANA Misy ireo misoloky, hoy pastera Heritiana


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Mitombo isa hatrany ireo fiangonana mitory fahagagana sy fanasitranana eto amintsika. Ankoatra ny fotoana mahazatra isaky ny Sabotsy na Alahady dia marobe ireo mitory izany eny an-dalambe amin’ny andavanandro.

Raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko dia tsy ratsy ny fitoriana ny fahagagana sy ny fanasitranana. Tamin’ny fotoana nahatety an-tany an’i Jesosy aza mantsy hoy izy dia ny fahagagana nataony sy ny fanasitranana vitany no nahasarika olona maro taminy. Na izany aza anefa hoy hatrany ity pastera ity dia tsy handrefesana ny mari-drefin’ny fiangonana ny fisian’izany. Ny hahafantarana hoy izy fa tena fiangonana misy an’Andriamanitra ny fiangonana iray dia izy manova olona. Olona nilona tao anatin’ny fahazaran-dratsibe ohatra nefa afaka tanteraka. Olona ratsy fanahy be nefa lasa tsara saina sy matahotra an’Andriamanitra…Misy amin’ireo mitory ny fahagagana sy fanasitranana araka izany no nambarany fa misoloky. Mety misy amin’izy ireny hoy izy no hirahin’olona, misy koa ireo te-handresy lahatra olona fahatany fotsiny…. Mila mitandrina araka izany ny rehetra hoy izy. Mikasika ny resabe mandeha momba ny fara andro dia notsipihiny manokana fa tokony hiomana hatrany ny tsirairay. Na tsy tena ilay fara andron’izao tontolo izao aza mantsy hoy izy no tonga dia mety ho avy tampoka ny fahafatesana ilay fara andron’ny tsirairay ety an-tany.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT