Finoana

Fahafatesan’ny Pastera Rivo Efa nisy voasambotra saingy navotsotry ny Fitsarana


  • Alarobia 28 Jolay 2010


Voasambotra ny zoma lasa teo ilay voarohirohin’ny zandary ho tompon’andraikitra tamin’ny famonoana ny pastera FJKM, Ranaivo Rivo Arson nandritra ny korontana tao amin’ny FIGN ny 20 mey 2010 teo. “Nolazaina fa izahay no nitifitra ity mpitarika fiangonana ity kanefa efa hita mazava tsara fa tany ivelany ny miaramila no nitifitra. Noporofoinay ny mifanohitra amin’io fanendrikendrehina io ary hita tamin’ny alalan’ny sary ilay voarohirohy ho namono ny pasitera. Efa natolotra ny Fampanoavana io olona io saingy nahazo fahafahana vonjimaika aloha. Raha mena ny lokon’ny scooter nentiny tao amin’ny FIGN tamin’ny 20 mey dia efa niova ho mainty izany tamin’ny fotoana nahatratrana azy” raha ny fanazavan’ny zandary. Momba iny raharaha iny hatrany dia fantatra fa mbola mitohy ny fisamborana amin’izao fotoana izao. Any Toamasina any no tena mitranga izany, araka ny fantatra. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT