Efa mipetrapetraka ny fankalazana ny ivon’ny jaobily faha-90 taona niorenan’ny Tily malagasy atao ao Toamasina ny 11 – 12 – 13 jolay ho avy izao. Hatomboka ny 11 jolay ny “Dolabe Tily” ao anatin’ity jaobily ity, izay hanaovan’ireo fivondronana Tily miisa 21 anjara amin’ny “carnaval en fanfare” miainga eo amin’ny fiangonana .....
Betela ary mifarana eny amoron-dranomasina. Hisy koa ny fampirantiana ny fiainan’ny Tily Malagasy eo amin’ny toerana malalaky ny lapan’ny Tanàna, ny “famonjena Aina” amin’ny alalan’ny fanomezan-dra atao eo amin’ny lapan’ny Tanàna ary ny fanadiovana ny moron-dranomasina antsoina hoe “Scouts in Beach” ary ny adihevitra lehibe ao amin’ny lapan’ny Tanàna mitondra ny lohahevitra “Tily mamokatra olom-banona”. Ny sabotsy 12 jolay kosa dia hisy ny diaben’ny “fandriampahalemana” ataon’izy ireo manodidina ny araben’ny fahaleovantena ho an’ireo mihoatra ny 40 taona ary mahatratra 5km. Eo koa ny hazakazaka ny “fifampihavanana” mahatratra 21km ho an’ny lahy sy ny vavy manodidina ny araben’ny moron-dranomasina. Hisy koa ny “sakafom-piraisana” atao eny amoron-dranomasina ihany. Tsy adino koa ny “rally skoto” izay hisian’ny fanabeazana Tily hitety faritra maromaro ao Toamasina, ary ny “afom-pifaliana lehibe Donak’Hehy” mbola eny amoron-dranomasina hisian’ny lalao mampiavaka ny Skoto maneran-tany. Ireo lanonana rehetra ireo dia hofaranan’ny Tily Malagasy amin’ny fifampitsidihana isam-pivondronana sy fotoam-bavaka lehibe atao ao amin’ny fiangonana anglikanina Santa Jakoba araben’ny fahaleovantena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.