Finoana

Faha-90 taona nandresena ny sampy Homarihina eny Ambohimanarina ny 7-8-9 septambra


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Feno 90 taona ny fandresena ny sampy teny Ambohimanarina tany amin’ny taona 1929, izay nisiana fahagagana lehibe samihafa, ka hisy ny fankalazana hotarihin’ny eo anivon’ny fiangonana FJKM Anosivavaka, Betafo Fanavaozana Ambohimanarina,

 

 

 

 Anosisoa Fitiavana ao anatin’ny Firaisana Vatotsara-Ambohimanarina, araka ny fanazavan’ireo mpitandrina omaly. Raha fintinina ny tantara, nisy ny ady nifanaovan’ny mpanompo sampy sy ny kristianina ny 7,8,9 septambra 1929. Hamangy ny vohitr’Ambohimanarina ny Evanjelisitra Baba Rajaofera no nisy ny fihantsiana nataon’ny mpisoron-tsampy Ramiaramanana namorona ny doany Andriambodilova. Nisy setroka tao am-piangonana, ary nisy zavatra boribory fotsifotsy teo amin’ny tilikambo sy ny fiangonana, izay voalaza fa mariky ny fanatrehan’Andriamanitra. Tany amin’ny doany kosa, dia lanin’ny fihitra ny omby saika hatao sorona ka tsy hita, feno moka nameno ny toerana ka rava maina ny fisoronan-tsampy. Resy ny sampy, ka nahatratra hatrany amin’ny 3 sarety sy 12 sobika ny ody natolotry ny olona hodorana. Nisy olona roa jamba dia Rainisoalahy sy iray hafa tsy fantatra anarana. Niverina niteny ratsy io tsy fantatra anarana io, ka niverina ho jamba. Mifanandrify amin’ny tantaran’i Madagasikara sy ny hetsi-panafahana teto io fa tsy ho an’Ambohimanarina ihany, hoy ny fanazavana. Hetsika goavana eny Ambohimanarina hanasana ny vahoaka tsy ankanavaka no hanamarihana izany ny 7-8-9 septambra ho avy izao, ka anisan’ny hampahafantarina ny tantara nodiavin’ny fiangonana, fanokanana ny tsangambato any amin’ny Toby Tambohomena any Mahitsy,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT